Ny tondra-drano eto Madagasikara
Maro taminareo no nanontany ny vaovaon’ireo fianakaviana aty Madagasiakara hatramin’ny nisian’ny tondra-drano izay nianjady tamin’ny tanànan’Antananarivo andro vitsivitsy izay.
Efa ho roa volana izao no nangejan’ ny rivo-doza ny firenena, izay namela takaitra maro tokoa. Tany Toliara, ny rivo-doza faharoa dia tena nanimba ny voly tokoa ary matahotra ny hisian’ny kere izahay.
Teto Antananarivo, nandritra io vanim-potoana io, ny fianakaviana dia misedra fiainana tena mafy noho ny tranon’izy ireo tafiditry ny rano sy ny rano mihandrona eny an-tokontany. Vokatry ny fahavakisan’ny fefiloha, herinandro lasa izay, dia niakatra ny rano any amin’ireo faritra iva, izay niteraka fahasimbana trano maro: ny rindrin’ny trano sasany dia nihotsaka, na dia fototra biriky aza dia tsy nahatazona. Ny trano natao tamin’ny sachets sy baoritra dia tsy nahatohitra ny herin’ny orana ary dia nanery ny fifindra-monin’ireo fianakaviana izany.
Hatramin’ny nanombohan’ny tondra-drano, noho ny fianakaviana eny Andramiarana miaina akaikin’ny fanariam-pako, dia namerina niteny tany amin’ny manam-pahefana ny mahazava-dehibe sy ny antony tokony hilana haingana ny fanorenana fotodrafitr’asa maharitra izahay ary ny hieritreretana miaraka aminy ny zavatra ilaina rehefa misy loza voajanahary; fa indrindra ny hanampiana azy ireo mba hanana trano tsara fototra.
Ireo fianakaviana miaina ao anatin’ny fahasahiranana hatry ny ela no nampahafantatra anay, fa tsy ao anatin’ny vonjitaitra no anajariana ny hoavy. Fikambanana avy any ivelany, izay tonga nanampy ny firenena no nametraka trano vonjimaika ho an’ireo fianakaviana tra-boina. Nefa tsy dia mifanaraka amin’ny zava-misy iainan’ny fianakaviana izany fanampiana izany. Fomba ahoana no handaozana ny trano sy hitazonana fifandraisana amin’ny tantaran’ny fiaraha-monina? Ny fomba fiainany? Nisy ihany fianakaviana namonjy nipetraka tao amin’ny sekoly fanabeazana fototra, izay nisokatra nanomboka ny zoma. Ny sasany kosa mifandimby matory any amin’ny tranony mba tsy hanajanonana tanteraka ny trano. Any amin’ny toerana izay ialofan’izy ireo mantsy dia tsy ahitana toerana ho an’ny biby fiompiny: vorona, kisoa sy ny hafa ihany koa. Vitsy ireo trano lay ary mbola tatera-drano ihany koa ka tsy manamora zavatra izany. Noho izany antony maro izany, dia nangataka ny fianakaviana ny mba hametrahana ny trano lay akaikin’ny tranony.
Manoloana izany toe-javatra izany, dia nandeha nijery tany amin’ireo faritra roa misy azy dia Antohomadinika sy Andramiarana ny ekipan’ny Fikambanana ATD , mba hifanohana sy hifanome hery. Tsapan’izy ireo mantsy fa ny tena mafy amin’izao fotoana izao dia ny fitokana-monina. “Hita taratra eny amin’ny endrik’izy ireo ny harerahana, ny tsy fahampian-torimaso ary ny olana sedraina isan’andro. Ny raim-pianakaviana, toy ny mahazatra, dia lasa mitady izay hatao sakafo sy hamelomana ny fianakaviana amin’ny fiainana andavanandro. Mbola mahasarotra ny zava-misy koa anefa ny tsy fahafahana intsony manao ny asa an-tselika.
Ny ankizy kosa, dia eny amin’ny tany, eo ambany mason’ireo ray aman-dreny no mamerin-desona.
Ny sasany dia mandehandeha miaraka amin’ny boatiny misy ny vary sy voamaina mafana ao anaty akanjo mba hitady toerana mangina sy maina.
Nizara taminay ny ahiahiny i Mama Laure, izay tra-boina miaraka amin’ny fianakaviany rehetra ao amin’ny efitry ny sekoly: ”hiverina hianatra ny ankizy amin’ny alatsinainy, hoy izy, nefa tsy hitanay izay haleha. Mbola hatraty amin’ny fe ny rano ao an-tranonay”. “Misaotra anareo mitsidika anay. Ianareo no voalohany hatramin’ny zoma, ary mahafinaritra anay izany” izany no nanampiany ny teniny.
Maneho ny herim-po sy ny fanantenan’ireo fianakaviana isan’andro, ny hetsika ataony: fifanampiana eo amin’ny samy fianakaviana sy eo amin’ny fokontany amin’izay misy eo am-pelan-tanany, eo koa ny tebiteby momba ireo zokiolona sy marary… fa manana anjara toerana lehibe koa ny fivavahana.
Ny tanora, izay miaraka amin’ny Fikambanana, dia nanomboka ny fanadiovana ny lakan-drano eny amin’ny faritr’Antohomadinika tamin’ity herinandro ity miaraka amin’ireo fikamabana eo an-toerana. Ny loto sy ny aretina, izay miparitaka, indrinda fa ny aretin-koditra sy aretin’ny fisefoana, dia maneho ny maha-zava-dehibe ny hetsika mba hampadio ny rivotra iainana.
Efa nisy ny fihetsiketsehana natao tamin’ny herinandro lasa teo tany amin’ny faritra hafan’ny tanàna mba hilazana hoe: “tsy aritray intsony”. Miandry ny asa sy andraikitry ny fanjakana mba hitsinjovana azy izy ireo sy ny hanamboarana ny faritra misy azy.
Ny ekipan’ny ATD Quart Monde Antananarivo dia nanohy ny famangiana an’ireo fianakaviana maro any amin’ireo faritra roa ireo. Ny tena tadiavin’izy ireo manoloana an’izao zava-misy izao dia ny tsy hanadinoana azy. Nifampiresaka tamin’ireo tompon’andraikitry ny fokontany, izay mitady fanampiana ihany koa ary ny BNGRC (birao nasionaly fitantanana ny loza voajanahary) momba ny fitaovana samihafa na sakafo ihany koa izahay.
Ny ekipa dia nanokana ny heriny mba hananan’ireo tena very anjara amin’izay zavatra hajariana, mba tsy ho voailikilika izy ireo. Ny zavatra mahazo ny firenena dia mandona ny olona rehetra: ny fahasimban’ny voly rehetra (vary sns) izay mety hiteraka tsy fisian’ny sakafo, ny fiakaran’ny vidin’ny rano, izay miteraka olana amin’ny ho avy, nefa ny fiainana dia mbola hihamafy hatrany ho an’ireo efa sahirana. Noho izany, dia tena isaoranay betsaka tokoa ireo teny fankaherezana sy fifankatiavana tonga aty aminay ary tena nanome hery ho anay rehetra izany.
Hanome vaovao ny zava-misy hatrany izahay.
Misaotra amin’ny fitiavanareo.
Ny ekipan’ny ATD Quart Monde Antananarivo